Mitohy hatrany ny asa tanterahin’ny APIPA amin’ny fanadiovana ny lakandranon’Andriantany, hialana amin’ny tondra-drano.
Taorian’ny fanalana ireo fotaka mandrevo anatin’ity lakandrano ity ka nampiasana fitaovana mifandraika amin’izany sy vatan-dehilahy maromaro dia roso amin’ny fanalana ny fako rehetra manentsika ny ao ambany tetezana etsy Ampefiloha indray izy ireo amin’izao fotoana izao. Voatery nototorana tanimena aloha ilay lakandrano hisakanana ny fikoarinan’ny rano. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny asa, mialoha ny hisokirana ny ao ambany tetezana iray manontolo. Tanjona ny hampikoriana ny rano araka ny tokony ho izy tsy misy sakantsakana. Haharitra andro maromaro ny asa. Aorian’izao asa fanadiovana izao moa dia fantatra fa hisy ny fanentanana ny mponina mba tsy hanary fako anaty tata-drano hisorohana ny asa be miandry tahaka izao. Tsiahivina fa anisan’ny faritra iray lasibatra ny Fokontany Ampefiloha rehefa avy ny orana vokatry ny fahatsentsenan’ity lakandrano iray lehibe eto an-drenivohitra ity. Hatreny am-baravarana ny rano sady tapaka tsy misy azo ampiasaina koa ny lalana mivoaka any amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha izay hifamezivezen’olona an’arivony isan’andro. Mandrora mitsilany ny mponina eny an-toerana raha ka mbola manary fako ao amin’ity tata-drano ity ihany aorian’izao asa fanadiovana hatao izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.