Mitohy hatrany ny fanadiovana ny lakandranon’Andriantany tanterahin’ny APIPA rehefa niato kely nandritra ny andro vitsivitsy izany noho ny fahasimban’ny fitaovana.
Fota-mainty maro be no mbola nalana tao izay nanentsina tanteraka ny fikorianan’ny rano mivarina eny amin’iny faritra iny. Mbola haharitra herinandro vitsivitsy ny asa, hisorohana ny mety hisian’ny tondra-drano eto Antananarivo. Toraka izany koa ny fitohizan’ny asa fanadiovana tanterahin’ny RF 2 eny anivon’ny fokontanin’Ampefiloha sy Manarintsoa iny izay lalovan’ity lakandrano ity. Lasa tafiditra ao anatin’ny asa hataon’izy ireo mantsy ny fanaraha-maso ireo olona manary fako na maloto amin’iny lakandrano iny, hoy ny tompon’andraikitra iray eny an-toerana. Tsiahivina moa fa anisan’ny nampihena ny rano tonga teny am-baravaran’ireo olona tsy manan-kialofana monina eny La reunion kely ny fanadiovana ity lakandranon’Andriantany ity. Lafiny ratsy kosa ny fisian’ireo andian’olona manakorontana ny tany avy nalaina tao anaty rano mba hitadiavana vy hamidy indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.