Actualités

Lakandranon’Andriantany 20 taona tsy nokaofina


  • Alarobia 23 Desambra 2015

Ny APIPA (L'Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d'Antananarivo) no tsy mahavita ny asa aman’andraikiny dia ny vahoakan’Antananarivo no mifafa ny kihony isaky ny fotoam-pahavaratra fiakaran’ny rano.

 

 Ny faritra iva no tena mitondra faisana ary tena mafy tokoa ny fiantraikan’izany raha tarafina tamin’ny zava-nitranga nandritra ny ora-nikija tamin’ny fiandohan’ny taona 2015 ireny, izay saika nahafefika an’Antananarivo. Rafitra miankina amin’ny minisiteran’ny rano sy ny fandiovana ary ny fidiovana ny APIPA. Miasa ny APIPA dia miasa ny governemanta, miesona ny APIPA dia taratr’izay koa ny fanjakana. Nibaboka moa ny minisitry ny serasera sy ny filazam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana Andrianjato Razafindambo Vonison, raha nivahiny tao amin’ny radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra, omaly antoandro, nilaza fa « 20 taona tsy nosavaina ny lakandranon’Andriantany ». Izy ihany no nilaza fa « nitady vola 3 miliara Ariary hoenti-manana ny asa, ary rehefa vonona izany dia ao anatin’ny 15 andro no hikaohana an’io lakandranon’Andriantany  io mba hisintona ny rano tsy hiandrona etsy sy eroa.

Jean D.

RAGASY : Hiandrasanareo 100 andro fahafiry indray izany e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT