Actualités

Lahitokan’ny ray aman-dreniny Matin’ny lozam-pifamoivoizana


  • Alatsinainy 12 Septambra 2016

Tovolahy vao 19 taona lahitokan’ny ray aman-dreniny no namoy ny ainy ny sabotsy tolakandro teo, teny akaikin’ny Horizon Ivato. Nitondra moto scooter ity tovolahy ity ary diso nandeha mafy loatra ka tra-doza ary izao namoy ny ainy izao vokatry ny ratra nahazo azy.

 Ilàna fahamailoana ny fitondrana ireny soavaly vy ireny noho ny fiarovana izay tsy dia tomombana. Somary misetrasetra ny tanora ankehitriny kanefa mbola maro ny tsy mahafehy tsara ity fitaovana ity. Raha ny hita eny an-dalambe dia ny ankamaroan’ireo tanora no tsy manao aroloha ary tsy vitsy ireo mihevitra ny fanaovana azy ireny ho fialana ny sazy ataon’ny mpitandro ny filaminana. Tokony ho tonga saina sy hihevitra ny tsirairay fa fiarovana ny ainy ny fanarahan-dalàna fa tsy sazy. Mila mailo sy mitandrina hatrany mba hisorohana ny patsa iray tsy omby vava satria ny aina rahateo tsy ananam-piry.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT