Actualités

Lahatra Andriamahatsangy “Tena ilaina ny tanàn-dehibe vaovao saingy…”


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Tena ilaina ny fisian’ny tetikasa tanàn-dehibe. Ny fahitako azy amin’ny ankapobeny,

 

 

 

raha ny toerana misy azy rehefa nodinihina sy nofakafakaina ary efa nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra, dia hitako fa akaiky loatra ny Tanamasoandro, hoy ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny asa vaventy Lahatra Andriamahatsangy. Mba tsy hahasempotra an’Antananarivo Renivohitra no atao, ka tsy tokony hiala metatra vitsivitsy an’Antananarivo fa mivoaka lavitra kokoa raha ny hevitro manokana, hoy izy. Raha tena hototofana ihany koa ilay tany satria 1000Ha no hanaovana azy, izay tsy hahita izany raha tsy eo ampita eo, dia atao tsara aloha ny fifanarahana amin’ny tompon’ny tany satria Malagasy ireo. Raha ny sehatra momba ny Tanamasoandro dia famatsiam-bola avy any ivelany no tena hanatanterahana azy. Mba tsy hilazako hoe hatrany amin’ny 80% dia mpanam-bola avy any ivelany, ka raha tsy dia mifanaraka loatra amin’ny tompon-tany eto kanefa hanao fampiasam-bola be, dia mety tsy haharitra ary mety tsy hitsangana akory. Tena ilaina ny fananganana tanàn-dehibe vaovao, fa ao anatin’ny fifampidinihana tsara. Ny fanatanterahana ao anatin’ny fotoana fohy, dia ireo tompon’andraikitra no tena mahalala izay fa raha ho anay teknisianina aloha dia tsy ho vita ao anatin’ny 5 taona ny hananganana tanàna vaovao izany, toy ny hamindrana ny tranom-panjakana, minisitera,… Mila fifampidinihana ary na ho an’ireo mpampiasa vola aza dia mila jerena tsara ny « faisabilité » an’ilay izy, ary tsy lazaiko intsony ny volabe an-tapitrisany dolara ao anatiny, kanefa maro ny zavatra tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy aloha hatreto. Na izany aza, ilaina ihany koa io, fa mila fandinihana tsara, hoy ity mpandraharaha ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT