Actualités

Lahady Samuel Niverina miresaka foko sy fihaviana indray


  • Alakamisy 18 Desambra 2014

“Nogadraina noho resa-poko izahay governora tamin’ny faritany telo ny taona 2002, Fianarantsoa, Mahajanga, ary ny tenako ihany no nogadraina raha afaka nandositra tany ivelany kosa ny tany

Toliara sy Antsiranana ary tsy voakitika izay mbola nomena toerana ambony kosa ny governora an’Antananarivo”, izay no nambaran’Atoa Lahady Samuel governoran’ny faritan’i Toamasina teo aloha, raha nomen’ny komity manda ny tsy maty manota (KM3), nanao valan-draseka tao amin’ny Le Bateau Ivre izy ireo. Mbola nomarahin’ity governora teo aloha ity hatrany fa efa tratra io fanagadrana noho resaka ara-poko io koa ny tenany fony izy lehiben’ny distrika tany Antsiranana talohan’ny naha-governora azy tao Toamasina teo aloha. “Mahantra ny faritany noho ny tsy fitovian’ny fitsinjarana ny volam-bahoaka sy ny fahefam-panjakana”, hoy hatrany Atoa Lahady Samuel; midika izany fa manomboka manome tsiny ny Amiraly Ratsiraka Atoa Lahady Samuel, satria ny amiraly no nametraka ny fifangongom-pahefana teto Antananarivo nandritra ny fitondrany, nentiny nifehezana ny fitondrana sy ny fahefana noho ny krizy goavana niainan’ny firenena sy ny tontolo politika iraisam-pirenena narahan’ny firenena malagasy. Ho hita eo fa isan’ny mpanangana ny KM3 Atoa Lahady Samuel amin’ny “valifaty atao amin-dRavalomanana” angatahan’izy ireo tsy isan’ny homena ny famontsoran-kaloka moa ity filoha teo aloha ity; hisy raha teo ny  fidinana an-dalam-be ataon’ny KM3 ny 22 desambra izao ka ho hita eo ny tohiny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT