Nisy namaky ny laboratoaran’ny siansa eny Ankatso ny fiandohan’ity herinandro ity. Raha ny fantatra dia solosaina miisa 12 no very tamin’izany. Raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra eny an-toerana dia nisy nanapitsoka ny varavarana ary teo ireo olon-dratsy no niditra.
Mahagaga, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity fa volana vitsy taorian’ny ankasomparana nahazo ny fakiolten’ny sampana fitsaboana dia ny eto amin’ny siansa indray no misy manao asa ratsy. Araka izany dia tsy fantatra intsony ny zava-miseho na tena halatra sy vaky trano na hasomparana tsotra izao. Nilaza mantsy ireo mpiambina fa tsy nahita olona nihaodihaody teny amin’ny manodidina. Voalaza moa fa efa mandeha ny famotorana amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.