Nahazo medaly volamena indray ny zava-pisotro labiera THB pilsener ao anaty tavoahangy 65 cl taorian’ilay fifaninanana « monde selection » nandraisan’izy ireo anjara.
Isaky ny telo taona no misy io fifaninanana io. Nanomboka tamin’ny taona 1980 izy ireo no nandray anjara, araka ny fanazavan-dRalijerson Béatrice talen’ny kalitaon’ny vokatra ao amin’ny vondrona Star. Hatramin’izay dia nibata medaly hatrany izy ireo vokatry ny ezaky ny mpiasa rehetra. Anisany ny fifantenana ny akora ampiasaina, ny fanodinana ny vokatra, ny fitehirizana azy hatramin’ny fitsinjarana azy eny amin’ny mpanjifa. Hiova endrika tanteraka ny collerette amin’ny labiera pilsener 65 cl manomboka amin’ity volana septambra ity. Hisy ihany koa ireo karazana kilalao maro samihafa hotanterahin’ny orinasa Star hahafahana mamalifaly sy manolotra loka ho an’ny mpanjifa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.