Efa tafakatra 300 isa amin’izao ireo trano sachet miorina etsy La Réunion kely, hipetrahan’ireo olona tsy manan-kialofana.vvvvvvvvvvvvvvvvv
Mitombo hatrany ny isan’izy ireo raha araka ny fanazavan-dRanjalahy Radoniaina, filohan’ny fikambanana Vahoaka Sahirana Mijoro ho an’ny Fampandrosoana ( VSMF) izay miahy azy ireo mivantana saingy izay rehetra nangatahina fanampiana dia tsy nisy nihaino avokoa. Anisan’ny notsindriany manokana tamin’izany ny praiminisitra teo aloha izay efa nampanantena saingy tsy nisy hatramin’izao. Tsy misy mandia ny varavaran-tsekoly anefa raha araka ny fanazavany ny ankamaroan’ireo ankizy ao amin’ny faritra iadidiany izay manome ny 90 %-n’ny mponina. Lasa mangataka eny amoron’arabe, mitsindroka, miasa aman’olona tsy fidiny vokatr’izany ireo ankizy ireo. Ireo ankizivavy kely no tena mampalahelo hoy hatrany ny Ranjalahy Radoniaina. Ny fito amin’ireo 8 ka hatramin’ny 13 taona mantsy no efa mitaiza tsy fidiny ka ny roa amin’izy ireo no efa manan-janaka roa avy izay samy tsy misy rainy avokoa. Miantso ny mpitondra fanjakana araka izany ny filohan’ny fikambanana VSMF mba hijery akaiky ny mikasika azy ireo. Mikasika ilay vaovao nandeha izay nilaza fa hita faty teny La Réunion kely ny iray tamin’ireo biby nanaikitra olona teny Ambatobe ary nohanin’ireo mponina dia nanambara Ranjalahy Radoniaina fa tsy nisy izany teny an-toerana fa tsaho tiana haely hanalana baraka ireo mponina eo ambany fiadidiany fotsiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.