Tsy rehefa sahirana dia miraviravy tanana ireo mponina etsy “La Réunion kely”. Ankoatra ny fivarotana entana tonta fanaon’ny ankamaroan’ireo mponina eny dia misy mahavita mamorona fitaovana tsotra hoenti-miasa tahaka an’Atoa Rakotomanana Robinson Jeannot izay nahavita nahaforona ny sarety-bisikileta
. Fitaovam-pitaterana mahazaka entana hatrany amin’ny 500 kilao izy ity ary tsy ampiasana solika fa atosika fotsiny. Manodidina ny 2 hetsy ariary ny masonkarena lanin’ny mpamorona tamin’ny fananganana azy, araka ny fanazavana azo. Mora atao ary tsy mandany andro mihitsy rehefa vory avokoa ny fitaovana rehetra. 11 isa ny sarety-bisikileta efa voarafitr’i Jeannot Robinson Rakotomanana ka ny efa lafo dia teo anelanelan’ny 1 hetsy hatramin’ny 4 hetsy ariary no namarotany ny iray. Zaza roa mianadahy no velomin-dRakotomanana amin’ity asa ity ankehitriny. Tamin’ny andron’ny tetezamita dia sivily voaantso ho mpahandro ny sakafon’ny miaramila mpiandry ny lapan’Iavoloha ity lehilahy ity, saingy very asa taty aoriana ka teny amin’ny “La Réunion Kely” no zary nonina ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.