Hetsika iray miezaka manome vahana sy mampahafantatra ireo orinasa malagasy mahavita zavatra tsara ny la grande braderie de Madagascar.
Amin’ity in-dray mitoraka ity dia orinasa Malagasy maro no ho avy handray anjara amin’ny hetsika manomboka ny alakamisy 23 mey ho avy izao, tafiditra indrindra ao anatin’ny tsena entina hanamarihana ny fetin’ny reny. Anisan’izany ireo mpanao panneaux solaires vita Malagasy hahafahana miady amin’ny tsy fahampian’ny herinaratra mahazo ny tokantrano maro eto amintsika sy ny tsy fandriampahalemana. 15 % raha kely ny fihenam-bidy amin’ireo entana rehetra haranty sy hampahafantarina ny mpanjifa etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina, hoy Ramanantsoa Harilala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madavision. Ny tanjona dia ho afaka hankalaza ny fetin’ny reny milamina avokoa ny rehetra. Ny alahady 26 mey moa vao hifarana tanteraka ny hetsika, raha mpitsidika hatrany amin’ny 35.000 no andrasana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.