Actualités

La City Ivandry Voasambotra i Eddy boaderozy


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Tahaka ireny amin’ny sarimihetsika ireny ny zava-niseho tetsy amin’ny La City Ivandry omaly talata takariva manodidina ny tamin’ny 4 ora sy sasany.

 

Nigadona teny an-toerana ny mpitandro filaminana nirongo fitaovam-piadiana tahaka ireny hanenjika jiolahy raindahiny ireny, ary gaga sy talanjona ny olona nahita ny fanakanana fiara raitra dia raitra miisa roa, marika “Jeep” sy “Dodge”. Voaambana basy ary nasaina nibaboka sy niankohoka ireo nosakanana.  Nisy teratany vahiny sy Malagasy tao anatin’ireo fiara. Rehefa nandeha ny fampitam-baovao, dia fisamborana mpandraharaha iray avy any Mananara Avaratra antsoina hoe: Maminirina Jean Eddy malaza amin’ny solon’anarana « Eddy bois de rose » no nataon’ny mpitandro filaminana, izay tena nampiseho fa vonon-kiady tanteraka ary tsy nanamaivana ny mety ho herivaikan’ireo hosamborina, saingy tsy afa-nikofoka ireo nohenjehina. Tombanana ho efa narahi-maso akaiky ka teo amin’ny La City Ivandry no toerana nety indrindra. Ny Fitsarana manokana momba ny boaderozy na « Cour Spéciale Bois de rose » no namoaka ny didy fisamborana na « mandat d’arrestation »  nahafahana nisambotra azy. Notanana vonjimaika eny Tsiafahy i Eddy Maminirina. Tsiahivina fa ny tapatapaky ny taona 2014 ny tenany no namoahana didy fisamborana satria voatonona tao anaty raharaha trafikana andramena samihafa, ka isan’izany ny tratra tao amin’ny seranan-tsambon’i Zanzibar sy Mombasa tamin’ny fiandohan’ny taona 2014, izay ny fanjakana Rajaonarimampianina no nitantana tamin’ny firenena tamin’izany. Na nisy fotoana aza ny tenany nilaza fa tsy matahotra fanadihadiana sy tsy mankasitraka ny fisamborana amin-kery sy tsy ara-dalàna, dia niala teto Madagasikara an-taonany maro, ary voalaza fa nitsoaka tany Sina. Rehefa narefo ny fanjakana Rajaonarimampianina ary fiaraha-mitantana no nisy teto, dia niverina an-tanindrazana, ka notsenaina tamin’ny fomba makotroka tao amin’ny seranam-piaramanidina tao Ambalamanasy ny alakamisy 29 novambra 2018. Nitsabo tena tany ivelany no nambara fa nialany teto Madagasikara. Vaky vava ny filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao tamin’izany hoe: olona namoahana didy fampisamborana ve no tsenaina makotrokotroka ? Marihina fa nanohana an’i Andry Rajoelina i Eddy Maminirina tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa. Finiavan’ny Fitsarana misahana ny Boaderozy manokana ve izao sa te hampiseho ny fanjakana fa tsy tahaka amin’ny taorian’ny 2009 intsony resaka afera tahaka izao satria efa tany tan-dalàna? Tsy i Maminirina Eddy irery no voatonona tamina raharaha boaderozy fa  nalaza ny afera Bekasy, saingy nangina. Nisy fotoana notazonina tao Antanimora saingy tsidi-pahitra ihany ny azy, fa naman’ny navotsotra avy eo lasa tany am-pita ny taona 2015. Tafaverina teto i Bekasy ary afaka miriaria soa aman-tsara. Asa indray izay hitranga momba an’i Maminirina Eddy.

 

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT