Samy hampiseho ny fahaizany milalao ny mozika ny tarika Kutle Kahn Project avy any Rajasthan sy ny tarika Benja rahampitso hariva manomboka amin’ny fito ora etsy amin’ny IFM Analakely.
Tompon’antoka amin’izany ny Foundation Aga Khan eto Madagasikara , tohanan’ny IFM, hetsika izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fifanakalozana kolontsaina hotanterahin’ny firenena roa tonta. Tsiahivina moa fa vondrona mpilalao mozika nentim-paharazana tarihin’i Kutle Khan teratany Rajasthanis ny tarika Kutle Khan Project. Manan-talenta miavaka tokoa ireo mpilalao mozika ao anatiny ary saika ananany traikefa avokoa ireo karazana mozika misy rehetra. Tarika noforonin-dRakotomalala tamin’ny taona 1990 kosa ny tarika Benja Gasy ahitana tanora mpandihy, mpihira, mpitendry zava-maneno maro isan-karazany izay manana tanjona hiaro ny kolontsaina nentim-paharazana izay manomboka mihavery tokoa amin’izao fotoana izao. Tanjon’ny tarika ny hiaro, hampita ary hifampizara amin’izao tontolo izao ny lanjan’ny kolontsaina Malagasy amin’ny alalan’ny dihy sy ny mozika nentim-paharazana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.