Na dia maro aza ny tsiambaratelon’ny firenena fantatry ny mpiangaly ny kung fu Wisa araka izay nolazain’ny Grand Maître Pierre be tamin’ireo mpianany tao Behoririka tamin’izany fotoana, dia manana ny fotoanany ny zava-drehetra.
Ny manamafy sy manatsara ny asa sosialy sy manakaiky kokoa hatrany ny vahoaka noho ny fahasahiranana lalina mianjady aminy aloha izao no tena maika, hoy ny Maître Avoko Rakotoarijaona. Araka ny efa nampanantenain’izy ireo dia nizara vary 2 taonina ho an’ireo sahirana miisa 1200 teny Antetezana afovoany, Ambodinisotry, Ampefiloha Ambodirano, Andohatapenaka I sy II ny mpikatroka kung fu. Mbola hitohy amin’ny 14 febroary ny hetsika ka 8 taonina kosa no hozaraina amina distrika maro. Fifanomezan-tanana eo amin’ny samy mpanao kung fu no nahafahana nanangona ireto vary ireto fa tsy nisy mpanohana manokana, araka ny fanazavana azo ihany. Nanamafy ny Maître Avoko, araka ny resaka nifanaovana taminy fa manaraka akaiky ny fizotry ny raharaham-pirenena ny mpanao kung fu. Ankoatra izay, nanaitra ny maro ny nandrenesana ny fanehoan-kevitry ny mpanao gazety Belanto tamina onjam-peo iray farany teo izay nilaza fa misy horonan-tsary voatahiry mirakitra ny fitifirana sy namonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava, ary hita ao ny olona nanao izany. Voalazany ihany koa fa anisan’ny nanana io tahirin-tsary porofo io ny Grand Maître Pierre Be.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.