Manoloana ireo olana sedrain'ny Malagasy ankehitriny toy ny Jiro tapaka,
rano tsy misy, ny solika tsy misy tampoka dia miandry sy mitaky fanazavana avy amin'ny praiminisitra Ntsay Christian, amin'ny maha lehiben'ny mpanatanteraka azy, ireo mpiara-dia amin'ny filoha Rajoelina. Anisan'izany ny solombavambahoakan'i Madagasikara, Andry Ratsivahiny voafidy teny Atsimondrano. Marina fa misy minisitra tompon’andraikitra eo fa ianao no tena tompon’andraikitra voalohany, hoy ity depiote IRD ity. Esory izay tsy mahavita. Hazavao ny zava-misy fa aza atao tompon-trano mihono ny vahoaka, hoy ihany izy. Nohamafisiny fa tsy hiandry ny filoha Rajoelina hanazava amin'ny vahoaka ny governemanta fa tokony hihetsika. Efa mazava ny toromarika nomeny, hoy izy ka rehefa fantatry ny Malagasy ny zava-misy dia izany no tsara indrindra fa lasa miahiahy ny olona. Manaporofo izao tranga izao fa efa misy zavatra tsy dia milamina intsony koa ao an-dapa sy eo amin’ireo samy manampahefana satria depioten’ny antoko eo amin’ny fitondrana no manakiana mivantana ny praiminisitra izay neken’izy ireo sy notendren’ny filohan’ny Repoblika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.