Actualités

Krizin’ny rivo-doza Miditra an-tsehatra ny Firenena mikambana


  • Zoma 10 Martsa 2017

Mitsidika sy mitsirika ny tapany avaratra sy avaratra atsinanan’ny nosy amin’izao fotoana ny solontenan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana tarihan-dRamatoa Violette Kakyomya ka ahitana ny PAM sy ny UNICEF.

 

Tsikaritra tamin’ny sidina natao fa tena namela takaitra goavana ny rivodoza Enawo indrindra fa tao Maroantsetra.Efa nisy moa ny asa fanavotana sy fanampiana ireo traboina niantsorohan’ny mponina tanyan-toerana sy ireo fikambanana maro samihafa.Nitohy tany Sambava omaly tolakandro ny f itsidihana sy fitsirihana nataon’ireto solontenan’ny firenena mikambana ireto ary mbola hitohy any Antalaha raha araka ny fandaharam-potoana.Tena zava-dehibe ny fitsidihana tahaka izao hoy Rtoa Violette Kakyomya lehiben’ny PNUD  eto Madagasikara satria ahafahana manampy ireo mponina amin’ny faritra tra-boina no sady ahafahana manohana ny manampahefana isan-tsokajiny any amin’ny faritra sy ny governemanta amin’ny asa ataon’izy ireo.Efa hatramin’ny alatsinainy 6 martsa lasa teo moa no am-perinasa amina faritra vitsivitsy tahaka an’Analanjirofo, sava ary Sofia ny sampandraharahan’ny firenena mikambana sy ireo fikambanana eo ambany fiahiany amin’ny fanampiana sy fanohanana ny governemanta  Malagasy amin’ny fandrindrana ireo asa maika hikarakarana ireo traboina.Zava-dehibe amin’izany ny fahafantarana ireo tena mila fanampiana maika sy ny fandrindrana ny asa ary ny fampitam-baovao ara-potoana.Tsapa arak’izany fa miditra lalina amin’ny fanampiana an’I Madagasikara ny sehatra iraisam-pirenena amin’izao krizy sy olana ateraky ny fandalovan’ny rivodoza Enawo izao, fihetsika izay azo adika avy hatrany fa sahirana sy tsy mahavita tena irery ny fitondram-panjakana ka mila ny fanampian’ny sehatra iraisam-pirenena.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT