Tontosa tsy nisy fifanatrehan`ny mpiasan`ny orinasam-panjakana Kraoma sy ny solotenany ny fifamindram-pahefana teo amin`ny tale jeneraly teo aloha, Terji Rakotondrazafy, sy Jaobarison Randrianarivony, izay tale jeneraly vaovao.
Tokony tamin`ny 8 ora maraina no nanatanterahina ny fifanaovana famindram-pahefana teo amin`ny tale roa tonta saingy tsy nanaiky izany fifamindram-pahefana izany ireo mpiasa ka nitokona teo amin`ny varavaran`ny orinasa tetsy Ampefiloha ary nidin`izy ireo hatramin`ny trano mihitsy ka ireo tale no nanao famindram-pahefana no niditra tao anatin`ny birao. Adin-iray mahery taty aoriana dia nisy fifampiresahana teo amin`ny roa tonta. Araka ny nambaran`i Mario Ralimanana, solotenan`ny mpiasa, dia tao anatin`ny telo volana, niova filohan`ny filankevi-pitantanana (PCA) ny orinasa, ary niova in-telo ny tale jeneraly. Hanaovana an-keriny ny hanaovana famindram-pahefana, hoy izy, ary ahiana hamotika ny Kraomita. Teboka maro no takian`ireto mpiasa ankehitriny ary tafiditra amin`izany ny fanoherana ny fanovana ny mpitantana ny orinasa. Niroso tamin`ny famindram-pahefana ihany taty aoriana ka nandritra ny lahateniny, nilaza i Jaobarison Randrianarivony, tale jeneraly vaovao eo anivon`ny Kraoma fa hisy ny fifampiresahana amin`ny ankolafy rehetra itadiavana vahaolana. Tsy mbola naneho ny heviny amin`izay hanohizana ny fifanaraha-miasa amin`ny rosianina kosa ny tenany. Io teboka io, no izay takian`ny mpiasa mba tsy hirosona aminy. Nohamafisin`ny tale jeneraly teo aloha, Terji Rakotondrazafy, ihany koa fa mila jerena akaiky io fifanarahana io. Marihana fa efa nandritra ny iray volana lasa no nanatanteraka fitokonana ny orinasam-panjakana ity ary nanamafy ireo mpiasa hiamafy ny fitokonana raha tsy mazava ny momba ny fitakiana indrindra ny fanafoanana ny fifanaraha-miasa amin`ny rosiana.
ao
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.