Actualités

Kortezy mpanao hitsin-dalana Samy manao izay tiany ve eto e ?


  • Zoma 24 Martsa 2017

Ao anaty fitohanana lavareny no nisian’ny teratany vahiny tao anatina fiara marika V8, izay nisy ireny lohana kortezy na mpitandro ny filaminana mitondra “moto” lehibe ireny mitari-dalana avy eo aloha teny Ankorondrano omaly antoandro.

 

 Mampametra-panontaniana hoe iza loatra ilay vazaha tao anaty fiara no nahazo polisy manokana hitari-dalana ? Raha diplomaty vahiny, tsy azo natao ve ny nandray fanapahan-kevitra hafa fa tsy any amin’ny lalana efa hita fa mitohana no terena hanaovana hitsin-dalana (Sens unique). Raha sanatria ve mitera-doza dia mbola ny vahoaka madinika indray no haratra na matimaty foana amin’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny lehibe ? Sady fandikan-dalàna an-kitsirano no fanaovana tsinontsinona ny vahoaka no misy, izay midika fa tsy ny tombontsoam-bahoaka no laharam-pahamehan’ny fitondrana ankehitriny, fa ny hamoritra sy hanampatra fahefana, ary hanao izay saim-pantany. Tsy mazava amin’ny vahoaka ny fepetra hamaritana ireny solontenana firenena vahiny ireny. Iza no mahazo mpitandro ny filaminana hitari-dalana sy hanao lohana kortezy ? Sa rehefa delegasionina avy any ivelany mety hahazoan’ny mpitondra tombontsoa, dia tsy maintsy lolohavina an-tampon-doha sy lelafim-paladia ? Raha ny lalàna velona eto amin’ny firenena, dia ny filohan’ny Repoblika, ny praiminisitra, ny filohan’ny Antenimiera roa tonta ary ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no mahazo ireny lohana kortezy ireny. Tsy voafaritra mazava kosa ny momba ireo teratany vahiny, ka andrasana izay fanazavan’ny mpitondra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT