Niharan-doza ny fiara tsy mataho-dalŕna mpisava lalan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Omaly tolakandro no nisehoan’ny loza tetsy amin’ny sampanan-dalan’Ambohimiandra sy Fenomanana.
Nisy ny naratra tao anatin’ny fiara saingy rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy tetsy amin’ny hopitaly joseph Ravoahangy Andrianavalona dia efa nalefa nody avokoa. Ny praiminisitra moa izay tsy teto an-drenivohitra fa tany Toamasina nankalaza ny faha-100 taonan’ny ady lehibe voalohany. Fiara 4x4 Mutsibishi Sportero L200 ity niharan-doza ity. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia nivadika ambony ambany ilay fiara 4x4 vao nifatratra tamina fiara mini-bus taksibe an’ny kaoperativa Cotral ity. Voadona hatramin’ny andrin-jiro ka tapaka fotoana naharitra ny jiro teny Mahazoarivo sy ny manodidina iny. Ny hafa kosa indray dia nilaza fa nandeha mafy ity fiara ity fa maika ny hitsena ny praiminisitra avy tany Toamasina, teny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato ka vokatr’io fandehanana mafy io no nahatonga ny loza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.