Actualités

Kortezin’ny Filoham-pirenena Malaza ratsy ho mandratra sy mahafaty olona


  • Alakamisy 27 Oktobra 2016

Mampitaraina vahoaka ny afitsoky ny kortezy mpitondra ny filoham-pirenena izay efa tena mahafaty olona mihitsy indraindray. Heno tamina onjam-peo iray teto Antananarivo, ohatra, ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalan’i By Pass ny talata 24 oktobra lasa teo ka voalaza fa ny kortezin’ny filoham-pirenena no namoa-doza teny an-toerana saingy toa nafenina ny zava-nisy ka tsy nisy akony intsony.

 

 Vao afak’omaly no nisy lozam-pifamoivoizana teo Andrefan’Ambohijanahary ka mpivady nitondra “moto” no voadonan’ny fiara iray izay voalaza fa taitra tamin’ny fandalovan’ny filoha ny mpamily ary tsy maintsy nanome lalana ny kortezy ka nahadona olona nitondra moto nanao taingin-droa  izay nahafaty tsy tra-drano ny ramatoa iray. Na tsy namono olona mivantana aza ny kortezin’ny filoham-pirenena dia anisan’ny tompon’antoka. Ekena fa tsy afaka mandeha latsaky 90km isan’ora ny fiara mitondra ny filoham-pirenena raha ny lalàna iraisam-pirenena no arahina. Tsy mitovy anefa ny eto amintsika sy ny any ivelany satria ny an’ny olona dia lalambe migodana sy tsy misy fitohanana ary voahaja ny lamina rehetra. Eto amintsika kosa dia korontana tanteraka ary tsy afaka ny hanao izany ny mpitondra ka lasa mitera-doza. Matetika aza moa dia mandika lalàna mihitsy ny kortezy ka manao hitsin-dalana. Tokony hojerena sy alamina izany mba tsy ny olona tsy manan-tsiny no hibaby fahoriana amin’ny zavatra azo sorohana.

 Toky R.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT