Actualités

Korontana taorian’ny “kopikole” Olona 3 maty, 14 naratra


  • Alatsinainy 08 Mey 2017

Olona 3 namoy ny ainy ary 14 hafa naratra tany Toliara ny zoma lasa teo, 10 minitra taorian’ny famaranana ny lalao « kopikole »,

izay nampiarahana tamin’ny fankalazana ny faha-5 taona niorenan’ny fahitalavitra tsy miankina TV Plus Madagascar tany an-toerana. Tao amin’ny Kianja Mitafon’i Toliara no nanaovana ny lanonana, ka nandritra ny fivoahan’ny mpijery no nisehoan’ny loza.  Nandritra ny lanonana dia efa nisy ny fifanosehana notarihin’ny tovolahy maromaro, saingy rehefa nisy ny fandaminana nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpikarakara, dia nivoaka tsimoramora izy ireo, raha ny vaovao azo. Nony tapitra anefa ny lanonana, niverina indray ireo andiana tovolahy nanosika sy nanembantsembana ny fivoahan’ny olona, izay nifanaretsaka nandritra ny fivoahana, ka tao anatin’izany no nisian’ny korontana sy ny fifanitsahana, izay ambaran’ny eo anivon’ny fahitalavitra TV Plus sy ny fianakavian’ireo namoy ny ainy fa mampiahiahy tanteraka.

Gafy sy vono olona niniana natao ?

Tsy dia loza loatra fa nisy olona nigafy tao anatiny, raha ny fahitako azy, hoy ny mpitantana ny TV Plus Toliara, Siteny Andrianasoloniaiko. Tao anatin’ny trano dia feno olona tanteraka ary efa nisy ny endrika figafiana saingy voalamina. Tsy nisy olana ny fivoahan’ny olona tao amin’ny trano nanaovana ny lanonana fa efa tany amin’ny vavahady farany vao niseho ny zava-doza. Mampiahiahy ny fomba nahafatesan’ireo namoy ny ainy satria tsikaritra fa notsindronina, ka misy ny ratra sy ny fery lalina mampieritreritra hita tamin’ny vatan’ireo namoy ny ainy raha ny vaovao avy any an-toerana, anisan’ny nahitana izany ny vatana mangatsiakan’i Omega Josoa, izay nahitana loaka teo amin’ny fihirifany sy ny faritra hafa tamin’ny vatany, araka ny fitantaran’ny rahalahiny. Nampiasa “Big boss” sy antsy ireo andian-jatovo nanakorontana, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana, ka niteraka fifanosehana ny fahajenjenana nateraky ny fofon’ilay “Big boss”. Mangataka fanadihadiana lalina, toy ny fijerena ny horonantsary azo tamin’ny “camera” nampiasain’ny TV Plus ny fianakavian’ireo namoy ny ainy sy naratra. Manoloana izao voina izao, efa nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy ny ekipan’ny TV Plus Madagascar notarihin’ny filoha tale jeneraliny, Nicolas Rabemananjara. Nisy ihany koa ny fanomezana ranomboankazo ireo naratra 14, izay efa nivoaka ny hopitaly ny antsasany. Andrasana ny ho tohin’ny fanadihadiana.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT