Tsy mety milamina ny toe-draharaha politika aty Afrika, indrindra fa ny resaka fifidianana.
Anisan’ny mitana ny sain’ny maro ny zava-misy ankehitriny any Gabon, taorian’ny fifidianana filoham-pirenena ka mampifanolana an’i Jean Ping sy Ali Bongo Odimba. Vao vita ny fifidianana dia efa nifandrororitana ny filazan’ny an-daniny sy ny an-kilany ho mpandresy. Nampitombo ny ahiahy ny fahataran’ny famoahana voka-pifidianana. Nony nivoaka ny valim-pifidianana ka nambara fa mandresy i Ali Bongo dia raikitra ny rombo, noho ny tsy faneken’i Jean Ping io vokatra io. Doro trano, fandrobana, fifamonoana sy ra mandriaka. Nitovitovy amin’izany ny zava-nisy tany Côte d’Ivoire ny taona 2010, nifandroritan’i Alassane Ouattara notohanan’ny Frantsay sy Laurent Gbagbo. An’arivony ireo namoy ainy. Olana koa no nateraky ny fifidianana tany Egypta ary niafara tamin’ny fanonganana an’i Mohamed Morsi. Mihenjana ny tady eo amin’ny mpanohitra any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo tarihin’i Étienne Tshisekedi sy ny mpitondra izay tarihin’i Joseph Kabila na dia efa tamin’ny taona 2011 aza ny fifidianana nampifanolana azy ireo. Tsy mety milamina ny toe-draharaha any Tonozia na dia vao voatendry ny 3 aogositra teo aza ny praiminisitra ny fampiraisam-pirenena Youssef Chahed mba handamina ny raharaha politika. Mampametra-panontaniana ny zava-misy hoe sanatria ho toy izany koa ve no hisy eto Madagasikara amin’ny fifidianana filoham-pirenena taona 2018 ? Olana amin’ny fifidianana aty Afrika ny mbola fiankinan-doha amin’ny any ivelany eo amin’ny fanomanana, indrindra fa ny ara-bola. Manampy trotraka izany ny fitsabahan’ny firenen-dehibe manohana kandida ka ataony izay hametrahana azy amin’ny fomba rehetra na hiafara amin’ny ra mandriaka sy ady an-trano aza. Hafahafa rahateo ny fitrangany nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna tamin’ny 31 jolay 2015 sy ny fifidianana Senatera ny 29 desambra 2015. Eo koa ireto hetsi-pitakiana politika sesilany tato ho ato ireto. Ny hamisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa, koa dieny izao dia efa tokony hosorohina izany mba tsy ho sorona eto ny Malagasy. Efa maro ny lesona azo tsoahina nandritra ireo fifidianana efa nandeha ka mila jerena akaiky ny resaka lalàm-pifidianana sy ny maha tsy miandany ny mpikarakara mba haneken’ny tsirairay ny vokatra.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.