Naneho ny fahatezerany noho ny delestazy lavareny ny mponina ao Fenoarivo atsinanana tampon-tanŕna omaly ka dia novakian’andian’olona ny biraon’ny Jirama any an-toerana
. Potika daholo ny solosaina rehetra, simba ny fitaovana maro. Nisy ihany koa ny moto roa may kila nodoran’ireto olona tezitra noho ny delestazy ireto. Tsy nijanona teo fa dia raikitra ihany koa ny fanaovana sakandalana ao an-tampon-tanànan’i Fenoarivo atsinanana tao niaraka tamin’ny fandorana kodiarana eny afovoan’ny arabe. Tsy maintsy niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana, nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana. Fantatra fa tena mbola nafampana ny toe-draharaha tany an-toerana omaly alina tamin’ny 10 ora sy sasany. Andrasana izay mety ho fivoaran’ity raharaha ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.