Actualités

KOPIA MARI-PAHATERAHANA Ny 30%-n’ny zaza Malagasy no tsy manana


  • Zoma 24 Martsa 2017

Ny 30 %-n’ny zaza Malagasy no fantatra amin’izao fotoana izao fa tsy mbola manana kopia mari-pahaterahana.

 Noho ny hasarotan’ny fiainana amin’ny ankapobeny no antony ka manosika ny renim-pianakaviana hiteraka an-trano na koa amin’ny reninjaza, hany ka zary vesatra ho azy ireny indray avy eo ny fikarakarana ny kopian-janany. Mba ho fanajana ny zon’ny ankizy, indrindra mba  hahafahan’izy ireny mandia ny varavaran-tsekoly dia hiara-kiasa hanome kopia mari-pahaterahana faobe ho an’ireo ankizy eny amin’ny distrikan’Avaradrano ny fikambanana Rotary Club Antananarivo Doyen sy ny vondrona Star. 3 tapitrisa Ar no fandraisan’anjara nomen’ny orinasa star azy ireo. Zaza latsaky ny dimy taona manodidina ny 2.000 isa kosa no ezahina hahazo tombontsoa. Hanomboka tsy ho ela ny hetsika. Amin’ny volana Aogositra any ho any no ezahina hovitaina tanteraka. Tsiahivina moa fa ankizy latsaky ny dimy taona miisa 6.000 no efa notoloran’ny fikambanana Rotary kopia mari-pahaterahana hatreto teto Antananarivo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT