Actualités

Komitim-Pampandrosoana Ifotony Tafatsangana ny an’Antsirabe II


  • Sabotsy 27 Aogositra 2016

Tafatsangana omaly zoma 26 aogositra ary vonona hiasa avy hatrany ny Komitim-Pampandrosoana Ifotony ho an’ny Distrikan’Antsirabe II.

Ny Depiote TIM Randrianantenaina José no hitarika izany miaraka amin-dRtoa Ravelohanitra Nirina, solombavambahoaka ao ihany koa. Na eo aza ny fanirian’ny Ben’ny tanàna ny hitantana ny vola 200 tapitrisa Ariary anjaran’Antsirabe II dia tsy maintsy hajaina ny fenitry ny fitantanam-bolam-panjakana, izay ny Lehiben’ny Distrika no mitantana ny vola. “Tsy idiran’ny loko politika ny fampandrosoana fa ny tombontsoan’ny vahoaka no tadiavina”, hoy Randrianantenaina José. Nanipika kosa ny solombavambahoaka Ravelohanitra Nirina fa vonjimaika ihany aloha ny birao hitantana ity komity ity satria hisy ny naoty fanitsiana ny tsy maha samy mpitantana ny solombavambahoaka amin’ireo Distrika manana depiote roa. Na izany aza, niara-nandrafitra ireo tetikasa ho fampandrosoana an’Antsirabe II ny rehetra.  Fanamby napetraky ny solombavambahoaka mianadahy ny mangarahara amin’ny fitantanana ny vola ary miainga amin’ny asa hita fa ilain’ny Kaominina tsirairay no hotanterahina.

Caïus R.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT