Fihantsiana tsy misy toy ity. Manjaka ny asan-dahalo any amin’ny kaominina Ambalamanakana, Distrika Ambositra, Faritra Amoron’i Mania izay kaominina fiavian’ny
komandy ambonin'ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel. Ity no tonga amin’ilay fiteny hoe : “ny mpaminany tsy masina an-taniny”. Niely moa ny resaka tamin’ny herinandro lasa iny fa nametra-pialana tsy ho komandy ambonin'ny Zandarimariam-pirenena ity Jeneraly ity, vaovao izay nodisoin’ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ka nilazany fa “tsaho”, fa mbola mitazona ny toerany amin’ny fibaikoana eo anivon’ny zandarimaria ny Jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.