Roa taona izay no nisotro ronono ny Kolonely Théophile Ralaimanandraibe, iray tamin’ireo manamboninahitra nosamborina sy naboridana niaraka tamin’ny filohan’ny Antoko MFM Manandafy Rakotonirina teny amin’ny Hotely Carlton Anosy nandritra ireny raharaha 2009 ireny,
ary efa niverina eny anivon’ny vahoaka amin’izao fotoana. Efa nifamela tamin’ny Kolonely Lylison sy Kolonely Charles izy niaraka tamin’ny filohan’ny antoko misy azy dia Atoa Manandafy Rakotonirina taorian’ny nivoahany avy any am-ponja. Manome hafatra ho an’ireo miaramila am-perinasa, manamboninahitra lefitra, kaporaly, vata-miaramila izy hoe efa nifamela ny samy lehibe ka tsy tokony hisy mbola hanana alahelo. Iray ihany ny miaramila, hoy izy fa ny safidy politika no mety ho samihafa ka tonga ny fotoana hampitana izany. Ny fahitany ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana amin’izao manoloana ny toe-draharaha politika, dia tsy mitovy amin’ny raharaha 2002 sy ny 2009. Mino aho fa ny fibaikoana dia hijanona ao anatin’ny tsy fitanilana na ny “neutralité responsable” ny miaramila, ny zandary, ny polisy, hoy izy. Mandray anjara mitandro ny filaminana sy hisoroka ny fihoaram-pefy fa tsy hisy ny tsy fankatoavana ny fibaikoana miaraka amam-basy na “désobéissance militaires”. Mety afaka hampiasa vola sy hikaotikaoty azy ny mpanao politika, fa ny volany fotsiny no lasa ary ho tonga amin’ilay fitenin’i Manandafy Rakotonirina hoe “Ny basy mipoaka fa tsy misy maty tsy misy maratra”. Mampihatra ny fahaiza-manaony any amin’ny tanindrazany any Betafo amin’ny alalan’ny fametrahana filaminana sy fandriampahalemana miaraka amin’ny vahoaka izy ankehitriny, ao anatin’ny kaominina 8 any amin’iny Betafo tapany Atsimo iny. Ny rafitra fiarovana ny fandriampahalemana eny ambanivohitra dia hobeazina hifanaja fa tsy hifamono, ary tsy mifanipaka amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny an’ny mpitandro ny filaminana. Tsy manam-pahavalo, ary mivoy ny fifanajana ao anatin’ny tsy fitovian-kevitra fa izay hanasoavana ny fiarahamonina sy hampandroso no tanjona. Efa manana olona hanao ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika na amin’ny loko inona na loko inona, fa ho kandidan’ny filaminana sy ny firaisan-kiana, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.