Actualités

Kolonely malagasy Lasa mersenera fotsiny


  • Talata 20 Septambra 2016

Tsy mbola afaka ao an-tsain’ny maro ilay fihetsika amboletra nataon’ny kolonely Joseph Ramiaramanana nitondra milisy mitam-piadiana haka ireo fiara nogiazan’ny kaominina tetsy Anosipatrana ny herinandro lasa teo

 

. Nanampy trotraka koa moa ny filazan’ny kolonely iray hafa mpomba ny fitondrana raha nivahiny tamina fahitalavitra iray fa tsy fanamparam-pahefana fa zon’ny fanjakana ny maka tanin’olona. Aza manantena hahazo rariny intsony izany isika vahoaka madinika fa na tany manana taratasy ara-dalàna sy misoratra amintsika aza dia efa naman’ny tsy antsika intsony sahady satria azon’ny fitondram-panjakana alaina fotsiny izao rehefa izay no tiany atao.

Tsy vao izao

Tsy vao izao no nahitana fihetsika sy fitenina kolonely mivatravatra toy ireo nitranga tato ho ato ireo fa efa ela raha tsy hampatsiahy fohy ireo nitranga nanomboka tamin’ny taona 2001 fotsiny. Tamin’io taona voalaza io, ohatra, nialoha ny krizy 2002 dia nalaza ny kolonely Coutiti tamin’ny herisetra nataony tany avaratry ny nosy.. Amin’izao fotoana izao koa dia iaraha-malala fa misy kolonely tsy hita popoka ary tadiavina fatratra fa voarohirohy ho anisan’ireo mpampihorohoro eto amintsika dia ny kolonely Lylison ; ireo no malaza sy fantatr’anarana saingy mbola maro ireo manamboninahitra kolonely voatonotonona amina afera maizina tahaka ny fampanofana basy amin’ny dahalo, ny resaka ady tany sy ny fanaparam-pahefana isan-tsokajiny.Be isa loatra ve ny kolonely eto Madagasikara ka tsy ampy ny toerana iasana dia manaotao foana sa efa tena ilay fisainana mihitsy no simban’ny fitiavam-bola diso tafahoatra ?


Faralahimatoa       

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT