Vita ny sabotsy maraina las ateo ny famindram-pahefana teo amin’ny praiminisitra teo aloha ny Dr Kolo Roger sy ny praiminisitra vaovao ny jeneraly Jean Ravelonarivo.Tamim-pirahalahiana tanteraka no nanatanterahana izany tamina lanonana tsotra natrehan’ireo mpikambana amin’ny governemanta teo aloha teny aminy lapam-panjakana Mahazoarivo.
Efa nisy ihany moa ny fihaonana savaranonando teo amin’ny roa tonta ny alakamisy lasa teo ka dia karazan’ny fombafomba ihany sisa no natao io sabotsy io.Andrasana tsy ho ela kosa ny fanendrena ireo minisitra, ka araka ny tsiliantsofina re dia mety ho amin’ity alatsinainy ity no hanaovana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.