Notanana am-ponja vonjimaika ny ben’ny tanànan’Andranovondronina teo aloha sy ny PDS-n’ny kaominina ambanivohitra Ambondrona teo aloha izay samy ao amin’ny faritr’i DIANA taorian’ny fanadihadiana nataon’ny vaomiera misahana ny kolikoly na ny Bianco tao an-toerana.
Nampangaina niaraka amin’ny ben’ny tanàna ny sekreteran’ny vola sy ny sekreteran’ny fandraharahana ao Andranovondronina. Antony ny fanodinkodinam-bolam-panjakana mitentina 44 220 588 Ariary ka tafiditra ao anatiny ny resaka fanagiazana vola voatokana hanorenana sekolim-panjakana sy fampiasana taratasy sandoka. Fanodinkodinana vola mitentina 36.890.000 ariary miampy fangalaran-tsonia sy fandaniana tsy mazava kosa no niampangana ny PDS ao Ambondrona sy ny sekreteran’ny fandraharahana miara-miasa aminy. Miantso ny olom-pirenena rehetra mba hampandre azy ireo hatrany moa ny Bianco raha mahita trangana kolikoly.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.