Aferana kolikoly avo lenta maro no hiakatra indray eo anivon’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) amin’ity volana ity, izay tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny fitsarana mandeha satria ny 19 aogositra ka hatramin’ny 27 aogositra ny adiany voalohany.
Nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity hatramin’ny 27 septambra ny andiany faharoa, ary mbola hisy ny andiany fahatelo. Olona miisa 35 no handalo fitsarana amina raharaha goavana miisa 8. Anisan’ireo handalo fitsarana ny olona fanta-daza maromaro, toa an-dRtoa Claudine Razaimamonjy, mpanolotsain’ny filoha teo aloha izay efa nohelohin’ny fitsarana higadra sy hanao asa an-terivozona 7 taona. Mahatratra hatrany amin’ny 43 ny dosie mahakasika azy, raha ny fanangonam-baovao. Eo ihany koa ny fanenjehana an’Atoa Mbola Rajaonah, mbola mpanolotsaina manokan’ny filoha teo aloha ihany koa izay nosamborina ny 13 febroary sy nogadrain’ny fanjakana satria nambara fa nanao hosoka tamin’ny ladoany sy nanao fanangonan-karena tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Ny faran’ny volana aogositra teo ihany koa nisamborana sy nanagadrana vonjimaika ny Tale Jeneralin’ny ladoany teo aloha Rabenjanarivony Eric sy olona 3 hafa noho izy ireo voarohirohy amina afera mitentina 125 miliara ariary teo anivon’ny ladoany. Dosie goavana ihany koa ny an-dRtoa Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard dit Peta, izay manana dosie hatramin’ny 27 ary manodidina ny 140 miliara ariary no voalaza fa kolikoly avo lenta mahasaringotra azy, ka raharaha tsenan’asam-panjakana ny ankamaroany. Efa namoahan’ny fitsarana fitsarana sazy mihatra gadra miampy asa an-terivozona 5 taona izy, saingy tsy voasambotra hatramin’izao. Raharaha hafa ihany koa ny an’Atoa Berthin Andriamihaingo loholona izay nidoboka am-ponja nanomboka ny 4 mey noho ny raharaha tsenan’asam-panjakana mikasika fikirakirana vaksiny teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana nisiana fanodinkodinana volabe. Tafiditra ao anatin’ireo dosie hotsarain’ny PAC ny mahakasika ny raharaha famarotana ny Villa Elisabeth, izay nampidoboka am-ponja vonjimaika ny Tale Jeneralin’ny fananan-tany teo aloha Atoa Rasolomampionona Hasimpirenena, izay lany ho depioten’i Fandriana tamin’ny anaran’ny vondrona IRD. Andrasana ny ho tohin’ireo raharaha goavana ireo sy ireo hafa tsy voatanisa. Saika mpandraharaha Malagasy sy tompon’andraikitra ambony teo aloha avokoa ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.