Actualités

Kolikoly sa gaboraraka Gadra mandra-pahafaty 2 lahy tafavoaka ny fonja


  • Alarobia 22 Mey 2019

Tafatsoaka ny fonjan’i Vohitany kaominina Ejeda Toliara ny alin’ny zoma 17 mey i Alain Zaheraly Rostand na Karana sy Eric Mario na Rambô.

 

 

Nohelohina higadra mandra-pahafaty miampy asa an-terivozona noho fitifirana nahafaty tovovavy iray natsoina hoe Tinah, mpianatra tao Toliara ny taona 2017 izy ireo.  Raha ny fampitam-baovao, tsy nitondra fanazavana mikasika ny fomba nitsoahany ny mpandraharaha ny fonja fa ny nolazaina dia mandeha ny fanadihadiana ka misy ny didy fikarohana na “avis de recherche” atao. Efa nigadra 3 volana tao Tsiafahy izy roa lahy no nafindra toerana tany Vohitany. Sokajiana ho fonja tsy natao hitazomana olona nahavita heloka bevava intsony ary karazana fonja efa tranainy anefa io. Mandeha kilaometatra vitsy miala ao amin’io fonja io ny kaominina Ejeda tanindrazan’ireto voaheloka. Voalaza fa nanao antso avo hamerenana azy roalahy voaheloka ho any Tsiafahy ny fianakavian’i tompokovavy Tinah. Nanaiky ny fangatahana ny fitondram-panjakana, handeha haka ireo voaheloka haverina any Tsiafahy sy hanao fizahana ilay fonja nitazonana azy no fantatra fa tsy tao intsony izy roalahy. Ahiana ny tsikombakomba nampitsoahana azy ireo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT