Actualités

Kolikoly mambotry vahoaka Polisy iray mahazo 40.000 Ar isan’andro


  • Alarobia 10 Desambra 2014

Ny fijoroana vavolombelona nataona mpamily taksibe sy fiarakaretsaka maromaro no nahafantarana fa 10.000 Ar raha kely no alain’ireo polisy raha sendra tratra manao hadisoana izy ireo, ny mihoatra tsy ferana. Farafahakeliny anefa fiara 4 isan’andro no tratran’izy ireo. Misy ary manambana ny hampiditra “fourričre” raha tsy manome ny vola tadiaviny ireo mpamily.

Manodidina ny 2500 Ar hatramin’ny 15 000 Ar anefa ny sazy araka ny lalàna napetraka mifanaraka amin’ny hadisoana natao ary eny anivon’ny borigady misahana ny fifamovoizana Tsaralalana no handoavana azy. Tsy tonga dia sazy koa no omena ireo fiara tratra manao fandikan-dalàna fa mbola misy aloha ny fampitandremana am-bava. Ny zava misy anefa dia mifanohitra tanteraka amin’ny tokony ho izy no hita, satria ireo modely amin’ny fampiharana ny lalana indray no manao ny ataony. 200 eo ho eo ireo polisy misahana ny fifamovoizana eto Antananarivo isan’andro. Koa raha samy mahazo 40.000 Ar isanisany izy ireo dia 24.000.000 Ar isam-bolana ny vola mifamezivezy azo avy amin’ny kolikoly ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fangalana taratasin’ny fiara fotsiny.

 

Fiara

Isany

Vola raisina isaky ny fiara

Totaly

 Fiara tsotra

 2

 5000 ar

 10.000 ar

Taksibe

 4

 10.000ar

 40.000ar

Fiarabe

 1

 10.000ar

 10.000ar

 

Mbola sarotra ny ady amin’ny kolikoly saingy raha samy manao ezaka ny tsirairay, indrindra fa ny fanjakana dia azo heverina ny hampihena izany. Tsy ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana ihany no ahitana azy ity fa eo ihany koa ireo sehatra hafa. Manaporofo izany ireo dosie maventy mahakasika tompon’andraikitra maro teto amin’ny firenena saingy  tsy nisy tohiny intsony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT