Actualités

Kolikoly – Fitangosam-bola tsy ara-drariny Adjidŕ Sefo iray nisy nitory any amin’ny Bianco


  • Alarobia 17 Febroary 2016

Efa tsy zaka intsony ! Tapa-kevitra ny vahoaka tarihin’ireo sojabe sy komitin’ny fandriampahalemana any amin’ny Kaominina Mandabe,

 

 Distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe fa hiady amin’ny kolikoly sy fanararaotam-pahefana ary fanabotriana ny vahoaka any an-toerana ataon’ny solontenam-panjakana, mitsikombakomba amin’ny olomboafidy any amin’izy ireo. Nanangana fikambanana ORGADIS izy ireo. Tsy mora ny ady, ary efa fantatray ny hitranga, hoy Atoa Fahely, sojabe ao an-toerana sy Razakandrainy Michou. Vao hanangana ny fikambanana izahay tamin’ny 29 janoary 2016 dia nosamborina teo am-pivoriana, ary nampagaina fa mioko hanongam-panjakana. Notazomina dimy andro tao amin’ny toby “détachement” miaramila nefa misy borigadin’ny zandary ao an-toerana. “Navotsotry ny fitsarana izahay rehefa tonga tany Morondava”, hoy izy ireo satria rariny ary hitondra fandriampahalemana amin’iny faritra misy anay iny ny antony nampijoroana an’ity fikambanana ity, efa tsy azo leferina intsony ny zava-misy. Novakian’izy ireo bantsilana ny afitsoky ny adjidà sefo avy amin’ny 3/RM5 mitarika andia-miaramila napetraka ao Mandabe amin’ny fanerena olona handoa vola tsy amin-drariny. Hararaotina amin’ny tsy fahaizany sy ny fahantrany ny olona any Mandabe, hoy hatrany ireto mpikambana ao amin’ny ORGADIS ireto, ka mivaro-panana, entin’ny tahotra. Tsy vitan’ny rahonana hogadraina fa iharan’ny fampijaliana sy herisetra arahina teritery amin’ny endriny maro ny olona. Vola an-tapitrisany isaky ny mitaky, ankoatra ny omby no ahoron’ity miaramila ity. Betsaka no banky rompitra, rava fananana noho ny faneriterena ataon’ity miaramila ity. Efa in-dimy nitaky ny famindran-toerana azy hiala tao Mandabe ny olona saingy tsy nisy vokany, fa arovan’ny olom-boafidy sy solontenam-panjakana sasany ao amin’ity Kaominina ity izy. Tapa-kevitra ny ORGADIS fa hitondra ny raharaha amin’ny sehatra ambonimbony kokoa, any amin’ny primatiora minisiteran’ny foloalindahy… Fitoriana maromaro ihany koa no napetrak’izy ireo any amin’ny Birao miady amin’ny kolikoly (Bianco). Miantso ny mpitondra mahefa ihany koa ny ORGADIS hidina hanao fanadihadiana any Mandabe fa mijaly fadiranovana amin’ny faneriterena sy famoretana ary ny kolikoly mahazo azy ny mponina.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT