Lohahevitra iray noresahana nandritra ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia ny 22 hatramin’ny 27 novambra 2016 tao amin’ny «TV5 Monde» ny tontolon’ny kolikoly eto Madagasikara.
Vahiny nifanakalo hevitra tao amin’ity fahitalavitra frantsay ity niainga teny amin’ny CCI (Centre de Conférence Internationale) Ivato moa ny tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly Andriamifidy Jean Louis, ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AVG (Alliance Voahary Gasy) Razakamanarina Ndranto ary ny mpahay lalàna mpikambana ao amin’ny SEFAFI (Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena) Rabenarivo Sahondra. Antony nampirongatra ny kolikoly ny fitotongan’ny lafiny toekarena Malagasy taorian’ny krizy, indrindra ny teo amin’ny sehatry ny filaminam-bahoaka sy ny fananantany, hoy ny lehiben’ny Bianco. Lesoka ny olona sy ny fitaovana ao anaty rafitra mampihatra ny ady amin’ny kolikoly voalazan’ny lalàna ary mila havahana tsara ihany koa ny sazy ho an’ireo fahalovana goavana sy madinika, hoy ny solontenan’ny Sefafi. Mahita kosa ny Avg fa lasibatry ny kolikoly amin’ny taratasy fahazoan-dalana mitrandraka harena ankibon’ny tany ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka eto Madagasikara.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.