Actualités

Kolikoly eto Madagasikara Manapotika ny toekarena sy sosialim-bahoaka


  • Talata 30 Desambra 2014

Herintaona latsaka kely izao no nijoroan’ny fitondram-panjakana vaovao eto Madagasikara manaraka ny Lalàmpanorenana taorian’ny tetezamita nanjakan’ny gaboraraka sy ny tsy

fanarahan-dalàna. Tsy mbola tafarina tamin’ny fanonganam-panjakana niseho tamin’ny taona 2009 moa hatramin’izao ny firenena Malagasy. Tranga iray nanamarika ny fe-potoana naharetan’ny tetezamita nitondran’ireo mpaka fahefana an-keriny mitovy amin’ny fe-potoana ara-dalàna iray ny firongatr’ireo kolikoly amin’ny endrika samihafa. Voakasik’izany manokana ireo andrim-panjakana sy olom-panjakana natao hitantana ny firenena ka nampihemotra isan-taona ny laharan’i Madagasikara. Raha toerana faha-127 ohatra isika tamin’ny taona 2013 dia nihemotra any amin’ny laharana faha-133 amin’ireo firenena 174 manerantany i Dago tamin’ity taona 2014 ity. Voka-dratsy goavana ateraky ny firongatry ny fahalovana ohatra ny fihemoran’ireo mpampiasa vola vahiny ka sady mampitombo isa ireo tsy an’asa no tsy mampidi-bola ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Raha tsorina dia manapotika ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ny tsy fandraisana andraikitry fanjakana amin’ny ankapobeny sy ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly manokana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT