Herintaona latsaka kely izao no nijoroan’ny fitondram-panjakana vaovao eto Madagasikara manaraka ny Lalàmpanorenana taorian’ny tetezamita nanjakan’ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna.
Tsy mbola tafarina tamin’ny fanonganam-panjakana niseho tamin’ny taona 2009 moa hatramin’izao ny firenena Malagasy. Tranga iray nanamarika ny fe-potoana naharetan’ny tetezamita nitondran’ireo mpaka fahefana an-keriny mitovy amin’ny fe-potoana ara-dalàna iray ny firongatr’ireo endrika kolikoly samihafa. Voakasik’izany manokana ireo andrim-panjakana sy olom-panjakana natao hitantana ny firenena ka nampihemotra isan-taona ny laharan’i Madagasikara. Raha toerana faha-127, ohatra, isika tamin’ny taona 2013 dia nihemotra any amin’ny laharana faha-133 amin’ireo firenena 174 manerantany tamin’ity taona 2014 ity. Voka-dratsy goavana ateraky ny firoborobon’ny fahalovana ny fihemoran’ireo mpampiasa vola vahiny ka sady mampitombo ireo tsy an’asa no tsy mampidi-bola ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Raha tsorina dia manapotika ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ny tsy fandraisana andraikitry ny fanjakana amin’ny ankapobeny sy ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly manokana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.