Actualités

Kolikoly eny amin’ny CIM Ambohidahy Notsikafonin’ny CNIDH


  • Alakamisy 23 Martsa 2017

Zava-dehibe hisorohana ny hosoka fanovana ny fahazoan-dalana hamily sy ny taratasin’ny fiara ho biometrika

. Etsy an-kilany, milaza ho tsy afaka ny hangina manoloana ny tsy fanajana ny zon’olombelona miseho eny amin’ny sampandraharaha fikarakarana ny antontan-taratasy na ny CIM eny Ambohidahy ny mpiaro ny zon’olombelona CNIDH, dia ny zo hiaina an-kalalahana, zo hahazo fiarovana, ary indrindra ny fanavakavahana sy ny kolikoly, izay tsy azo ekena mihitsy. Mampijaly ny filaharana izay tsy mitsahatra raha tsy amin’ny 8 ora alina. Manjaka ihany koa ny kolikoly : 5000-15 000 ariary ny saran’ny laharana alain’ireo mpanera izay efa miaraka amin’ireo antontan-taratasy vitsivitsy fenoina. 10 000 ariary raha te hanafainganana ny fametrahana ny dosie, 10 000 ariary raha handoa ny vola ilaina mialoha ny hafa, 10 000 ariary amin’ny fakana sary satria ny iray amin’ny 9 ihany no natokana ho an’ireo manaraka ny lamina ara-dalàna raha ny fanamarihan’ny maro. Manodidina ny 40 000 ariary ny vola lany amin’ny kolikoly raha tsy te hisahirana.  Raha ny fanadihadiana nataon’ny CNIDH ihany dia 300 000 ariary no hanamboaran’ny mpiasa izay manao kolikoly ny fahazoan-dalana mamily fiara. 165 000 ariary kosa ny “cartes grises”, izay tsy mila fametrahana antontan-taratasy, fakana sary ary vita ao anatin’ny fotoana fohy.  Manolo-kevitra amin’ny tokony hisian’ny fanaraha-maso hentitra, fanafoanana ny tombo sy hala, fanafoanana ireo mpanera, fametrahana toerana manokana hivarotana sy hitsinjarana ireo antontan-taratasy fenoina ny CNIDH. Miantso ny rehetra hanatsikafona ny endrika kolikoly hitany ihany koa ity rantsana iray mpiaro ny zon’olombelona ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT