Henjehina ny olon'ny HVM fa hoe nandray 50 tapitrisa ariary. Io ilay resaka malety tamin’ny fampandaniana ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana ny volana aprily 2018.
Fa ahoana ary ilay vola 2 baoritra tao anaty fiaran'ny depiote teo aloha sady mbola kandida Rtoa Lanto Rakotomanga tratra teny Namontana ny takarivan’ny 8 jona 2015 ? Vola entina hiantsena sa nanomanana fanakorontanana na fanonganam-panjakana fa tsy nahomby ireny ? Efa nanambara ny tatitra savaranonando nataon'ny mpanaramaso ny fifidianana filoha avy amin'ny vondrona Eoropeanina fa nizara vola ny kandida Rajoelina lehiben'ny MAPAR tamin’ny propagandy. Efa kolikoly ny fanambazana mpifidy sy fizarana vola aminy, ary raha ny voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana ao amin’ny andininy faha-233, helohina tsy ho afaka mandray anjara amin’ny fifidianana sy misitraka ny zo maha olom-pirenena, tsy afaka hanao asam-panjakana ary voarara tsy afaka misitraka asa maha olom-boafidy 5 ka hatramin’ny 10 taona izay tratra. Ohatrinona marina ny vola nampiasain-dRajoelina tamin'ny 2018 nandritra ny “pré-campagne sy “campagne” ? Volabe satria voalaza fa 182 tapitrisa euros, ary mbola mety mihoatra lavitra an'io aza. Avy aiza marina ? Sao dia mba famotsiam-bola ? Azo noraisina fa tsy nitombina ny fitoriana samihafa. Nahiana ny korontana sy ra mandriaka satria nialoha ny fifidianana dia efa nampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika teto i Andry Rajoelina, ka porofon’izany ireo naseho teo Mahamasina ny 19 janoary teo. Efa endrika kolikoly sy fomban’ny jiolahy iraisam-pirenena ny hoe sivily no nanafatra fitaovam-piadiana mahery vaika. Amin'izao propagandin’ny fifidianana depiote izao, tena matanjaka ny kandidan'ny IRD na ambonivohitra na ambanivohitra toy ny fizarana T-shirt, saina, banderole, afisy, fiara, fanamafisam-peo, tolotolotra isan-karazany. Vola avy aiza ireo ary ? Na ny fahazoana ny tsena hanao ny asa fananganana ny hopitaly manara-penitra ireny aza mbola maro no tsy mazava tamin’ny tetezamita, raha hiverenana ny tantara. Ary farany, ireo mpandraharaha mpanefoefo manodidina an-dRajoelina, efa voasava trano, efa ahiahiana ho nanao kolikoly sy namotsy vola, ahiahian'ny any ivelany fa nanangon-karena tamin'ny tsy ara-drariny, ahoana ireny no tsy hanokafana fanadihadiana sy alaina am-bavany eny amin'ny Bianco sy ny PAC ? Nankaiza, ohatra, ny tohin’ny dosie fanodinkodinam-bola hatrany amin’ny 80 miliara tao amin’ny Jirama nisian’ny fanadihadian’ny Bianco izay toa nanesorana ny Tale jeneraly lefitra nisahana ny Faritanin’Antananarivo ? Na ho ela na ho haingana tsy maintsy hijinja ny nafafy fa miandry isika…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.