Ry zareo avy eo anivon’ny vovonana politika dinika ho fanavotam-pirenena (DFP) no tena nanitrika hatramin’ny fiandohan’ny taona fa ao amin’ny minisiteran’ny atitany ao no tena fositra amin’ny
fampanjakana ireo kolikoly avo lenta na fanodinkodinana ireo tsenam-panjakana maherin’ny 30 izay nahatonga ny fampisamborana ilay mpandraharaha ikoizana, Claudinne Razaimamonjy. Mbola nohamafisin’ity vovonana ity tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo aza moa ny zoma 19 mey teo fa ny minisitry ny atitany mihitsy, izany hoe, ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly ihany no lohalaharana amin’ny mpibaiko amin’izany. Mbola heno indray koa ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny atitany tamin’ny fanazavana nomen-dry zareo avy eo anivon’ny firaisankinan’ny mpihary omby amin’ireo foko 18 (FIMPIOMBY 18) ny sabotsy teo fa sakana goavana amin’ny fampandehanana ny fandraharahana omby manomboka ao Tsiroanomandidy amin’iny faritr’i Bongolava iny, ny faritra Melaky sy Menabe ary Vakinankaratra ny kolikoly ataon’ireo ao anatin’ny rantsamangaikan’ny fiadidiana ny atitany, toy ny ao amin’ny prefektiora.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.