Actualités

Kolikoly avo lenta Namoahana didy fampikarohana Rtoa Peta


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Namoahan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny « Pôle Anti-Corription »

 

didy fampisamborana Rtoa Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard dit Peta noho ny raharaha kolikoly avo lenta tamina tsenan’asam-panjakana. Asa natao ho an'ny kaominina Sahasinaka sy kaominina Ampasimanjeva ao amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Vatovavy Fitovinany. Tohana ara-bola manokana na « subvention exceptionnelle » mitentina 173 746 571.30 Ariary, avy amin’ny fanjakana ho an'ny kaominina Sahasinaka, ary 173 096 008 ho an'Ampasimanjeva, tokony hanavaozana tranompokonolona tamin’ireo kaominina roa ireo. Ny orinasany mitondra ny anarana « PETA » no nahazo ireo tsenan’asa ireo tamin’ny fomba tsy mazava, mifono kolikoly, rehefa avy nandoa « ekôlazy 10% », izany hoe 17 tapitrisa Ariary isaky ny asa, tamin’i Houssen Ben Abdullah, Tale (Directeur des Concours Financiers de l’Etat) teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, fiampangana izay nolavin’ity farany noho izy tsy manana fahefana hanome « subvention exceptionnelle) araka ny fiarovantenany satria nandeha fitsarana ny herinandro teo ny raharaha. Voasaringotra ihany koa ireo sekretera mpitambola (STC) ao amin’ny kaominina Sahasinaka sy Ampasimanjeva noho izy ireo, voalaza fa noteren’ny Tale ara-pitantanana sy ara-bola teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany hanao sonia ny taratasim-bola ho an-dRtoa Peta. 76.300.920 Ariary ny tomban’ny asa fanarenana ny tranompokonolona nambara fa vita tao Sahasinaka ary 66.208.734 Ariary kosa ny tomban’ny asa natao tao Ampasimanjeva, izany hoe tafiakatra 204.332.925,30 Ariary ny volam-panjakana voahodinkodina. Voatana am-ponja ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Voasazy asa an-terivozona mandritra ny 5 taona Ramatoa Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard dite PETA, izay tsy nipoitra nandritra ny fotoam-pitsarana, ka namoahana didy fampisamborana avy hatrany ilay mpitantana ny orinasa « PETA ». Manodidina ny 20 ny dosie mahakasika azy mitovitovy amin’izao ka hatrany amin’ny 140 miliara ariary no ahiana niarahan'i Peta nitsikombakomba tamin'ireo tompon'andraikitra ambony tao amin'ny minisiteran'ny atitany, fony mbola minisitry ny atitany sady praiminisitra Atoa Mahafaly Olivier.

NITADY LALANA HITSOAKA ?

Nisy ny loharanom-baovao nivoaka omaly fa niala teto Antananarivo vao maraina ho any Atsimo atsinanana Rtoa Peta, miaraka amin'ny fiara 4x4 “marron foncé métallisé mbola laharana WWT”. Mikasa ny hitsoaka hiala eto Madagasikara amin'ny alalan'ny sambo i Peta. Fantatra koa fa efa misy IST na fandrarana tsy hivoaka ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara mahakasika azy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT