Actualités

Kolikoly ao Ambatondrazaka Nataon’ireo Mpisolovava vaky bantsilana


  • Alarobia 02 Martsa 2016

Manjaka ny kolikoly any Alaotra, hoy ireo mpisolovava ao Ambatondrazaka tamin’ny teny nahitsy. Mitondra faisana ireo olona mila raharaha eny anivon’ny Fitsarana sy ny sampandraharaham-panjakana samihafa any an-toerana.

 

Manampy trotraka koa, hoy izy ireo, ny tsindry ataon’ny olomboatendry na olomboafidy ka manjary tsy mahaleotena amin’ny asany ny Fitsarana.

Milaza ny handray andraikitra ireo mpisolovava ao Ambatondrazaka manomboka izao ka hanentana ny olona hiady amin’ny kolikoly. Nampahatsiahy ireo mpisolovava any Ambatondrazaka fa mitovy ihany ny sazin’ny mpanome sy ny mpandray.

Nanambara ny filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka Rtoa Rakotomavo Hantamalalanirina fa efa tamin’ny taon-dasa izy ireo no nanao hetsika hiadina amin’ny kolikoly ary mbola tohizana amin’ity taona 2016 ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT