Voarohirohy amina kolikoly avo lenta an-jatony miliara ariary Rtoa Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard na Peta.
Anisan’ny raharaha nahasaringotra azy ny tsenambaro-panjakana tao amin’ny kaominina Sahasinaka sy kaominina Ampasimanjeva ao amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Vatovavy Fitovinany. Efa namoahana didy hiasa an-terivozona mandritra ny 5 taona Ramatoa Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard dite PETA, izay tsy nipoitra nandritra ny fotoam-pitsarana, ka namoahana didy fampisamborana avy hatrany ny faramparan’ny volana aogositra. Tsy tratra na mety tsy nosamborina mazava ho azy satria raha ny loharanom-baovao, dia efa madio ny rano nitany satria efa any Lafrantsa izy amin’izao fotoana izao. Nitsena ny zanany tao amin’ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Charles de Gaule ao Parisy ny alatsinainy teo, raha ny voalazan’io loharanom-baovao io ihany. Tsy lojika ho tafavoaka any ivelany izany raha tsy nisy manampahefana nanamora ny fitsoahany niala teto Madagasikara. Tena mihatra sa resabe fotsiny ny resaka ady amin’ny tsimatimanota ? Iza no manam-pahefana nanamora ny fitsoahany ? Tokony ho mora ny mamantatra izany raha tena mandeha ny fanadihadiana ka andrasana na hivoaka ny dosie na hokobokobonin’ny fanjakana. Raha hiverenana ny tantara, dia tohana ara-bola manokana na « subvention exceptionnelle » mitentina 173 746 571.30 Ariary, avy amin’ny fanjakana ho an'ny kaominina Sahasinaka, ary 173 096 008 ho an'Ampasimanjeva, izay samy hanavaozana ny tranompokonolona no niaingan’ny fanodinkodinana nataony. Tamin’ny fomba tsy mazava, mifono kolikoly, rehefa avy nandoa « ekôlazy 10% », izany hoe 17 tapitrisa Ariary isaky ny asa, araka ny fanazavana tamin’izany. 76.300.920 Ariary ny tomban’ny asa fanarenana ny tranompokonolona nambara fa vita tao Sahasinaka ary 66.208.734 Ariary kosa ny tomban’ny asa natao tao Ampasimanjeva, izany hoe tafiakatra 204.332.925,30 Ariary ny vola-panjakana voahodinkodina,… Manodidina ny 20 ny dosie mahakasika azy mitovitovy amin’izao ka mitombana hatrany amin’ny 140 miliara ariary no ahiana niarahan'i Peta nitsikombakomba tamin'ireo tompon'andraikitra ambony tao amin'ny minisiteran'ny atitany, fony mbola minisitry ny atitany sady praiminisitra Atoa Mahafaly Olivier. Tsy tongatonga ho azy ny fahatafavoahan’i Peta an’i Madagasikara fa ao raha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.