Actualités

Kolikoly amin’ny fandraisana Mpitsara Mitsipaka ireo tompon’andraikitry ny sekoly ENMG


  • Talata 25 Aprily 2017

Resa-be ny momba ny kolikoly sy ny fahafantaran’olona ahafahana miditra ao amin’ny ENMG (Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes) na Sekolim-pirenena fanofanana mpitsara sy mpiraki-draharaha eto Madagasikara, niorina tamin’ny taona 1996.

Mitsipaka marindrano izany ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany ao amin’ity sekoly ity ary nanamafy fa « tena ny fahaizana fotsiny ihany no ahatafitana hidirana ny ENMG amin’ny fifaninanana izay atao ». Nantitranterin’izy ireo fa na ny adina na ny fitsarana na ny fiatrehana ny fanadinana ho an’ny mpianatra dia mazava sy mangarahara tanteraka ». Ho fampahafantarana sy fanomanana sahady ny mpianatra Malagasy amin’ny fianarana momba ny mpitsara sy mpiraki-draharaha eto Madagasikara dia mitety faritany ireo tompon’andraikitra ao amin’ny ENMG niorina tamin’ny taona 1996. Andiany fahefatra no notontosaina tao amin’ny oniversite Toamasina ny sabotsy lasa teo, nanaovan’izy ireo valandresaka. Aorian’i Toamasina dia hihazo ny Faritany Toliara indray ireo ekipa mpikarakara ny famelabelaran-kevitra momba ny ENMG ity.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT