Actualités

Kolikoly 7 000 Ariary ny kara-panondro iray any Morondava


  • Alarobia 10 Febroary 2016

Sahirana ireo mpianatra feno taona tokony hanana kara-panondrom-pirenena ka hiatrika fanadinam-panjakana amin’ity taom-pianarana ity.

 

 Lany efa andro maromaro ny taratasy fanamboarana kara-panondrom-pirenena ao Morondava, renivohitr’i Menabe. Izay no filazana ofisialy. Ny fotoana anefa mandeha, voafetra rahateo ny famenoana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fisoratana anarana hiatrika fanadinam-panjakana. Ny mahagaga anefa dia misy milaza manana ihany rehefa tena misy mitady maika ary 7000Ariary ny iray. Eo no mampametra-panontaniana, maninona ny taratasim-panjakana toy izany no tonga any am-pelatanan’ny mpijirika ? Ny loza dia maninona no tsy andraisana fepetra fa jerem-potsiny ny toy izany ? Hatreto mantsy dia sady tsy nisy nametraka fitoriana no tsy misy olona voasambotra manodidina ity toe-draharaha ity. Tranga izay tsy any Morondava ihany fa Kaominina maromaro eto amin’ny Nosy, no andrenesana risoriso amin’ny fanaovana kara-panondrom-pirenena toy io.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT