Actualités

Kolikolin’ny eny amin’ny fitsarana Tarazon'ny afera eny amin'ny oniversite


  • Sabotsy 03 Desambra 2016

Vao miditra taona voalohany eny amin’ny anjerimanontolo dia efa malaza ny kolikoly sy ny serasera ara-bola, ka tsy mahagaga raha voasokajy ho lohalaharana amin’ny fanaovana kolikoly ny mpitsara eto amintsika.

 

 Tsy mba natokana ho an’ny zanaky ny madinika intsony ny fianarana ho mpitsara fa eny antenantenany ny ankamaroany dia raraka raha sendra mba tafiditra ao amin’ny sampana lalàna. Malaza ny famadihana ny naoty sy ny kajikajy isan-karazany, raha ny fitarainan’ny mpianatra izay milaza ho efa niharan’ny toe-javatra toy izany, ka ireo zanaky ny manan-katao, izay matetika zanaka mpitsara na fianakaviany no tafavoaka. Bizina isan-karazany no manjaka, hany ka maro no milaza fa efa voatefy hangalatra sy hivaona ary tsy handeha amin’ny ara-drariny sy ara-dalàna ny mpitsara noho izay zava-misy hatreny ifotony izay. Mbola ireo nomena tombondahiny teny amin’ny anjerimanontolo ireo ihany avy eo no tafiditra ao amin’ny sekoly manofana ho mpitsara ambony toy ny ENMG, ary izy ireo no mahazo toerana ambony ao amin’ny fitsarana. Zary lasa raharaham-pianakaviana ny tontolon’ny fitsarana ary efa tena fanjakana kely iray ao anatin’ny fanjakana mihitsy no hanasokajian’ny maro azy. Sarotra ny manarina ny lesoka satria efa toy ny volo ngita mifandray tendro ny rehetra. Rafitra tokony ho fitaratra sy filamatra amin’ny fanarahan-dalàna sy fandrindrana ny fiarahamonina ny fitsarana saingy toa miainga avy ao indray ny lesona ratsy ka tsy atao mahagaga raha manjaka ny fitsaram-bahoaka sy fandikan-dalàna isan-karazany. Dia hotazanim-potsiny eto foana ve ny zavatra tsy mety toy izany ? Tsy atao mahagaga raha firenen’ny moramora sy fanjakam-boalavo no hanasokajian’ny hafa antsika.

 

Toky R. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT