Raharaha be mpanaraka tokoa tao Miandrivazo, omaly alakamisy 21 janoary 2016, ny fitsarana an’i Kohen Rivolala.
Nomelohin’ny fitsarana higadra herintaona an-tranomaizina sazy mihatra izy, noho ny resaka mosavy nampirongatra aretina ambalavelona nahazo ny ankamaroan’ny mpianatry ry Masera ao Miandrivazo, ka nampikorontana ny tanàna tamin’ny volana novambra 2015. Herintaona sazy mihatona no sazin’ireo telo lahy niara-dia taminy tany Miandrivazo, tamin’ny fotoana nampirongatra ny ambalavelona, ary nafahan’ny fitsarana madiodio kosa ireo roalahy, zanatany any Miandrivazo, voasaringotra amin’ity raharaha ity. Tamin’ny valo ora maraina dia efa raikitra ny fitsarana, omaly. Niato kely izany tamin’ny iray ora sy sasany, taorian’ny fihetsehan’ny aretina ambalavelona tamin’ireo vavolombelona efatra, nihinjitrinjitra sy nikiakiaka tampoka tamin’ny fotoana nisian’ny fifandaharana tao amin’ny fitsarana. Ny olona rahateo nameno ny efitranom-pitsarana. Nitohy ny fitsarana nanomboka tamin’ny roa ora sy sasany. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva no nilatsaka ny didy. Tsy nitaky onitra ireo ray aman-dreny nitory. Manana zo hampakatra ny raharaha amin’ny Fitsarana ambony i Kohen Rivolala, raha tsy afa-po amin’ny didy navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Miandrivazo. Izy rahateo manana mpisolovava niantoka ny fiarovana azy teo anatrehan’ny Fitsarana omaly.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.