Vita soa aman-tsara ny Fetin'ny vehivavy 8 Martsa dia miverina resahan'ny mponina ao Miandrivazo indray ny raharaha Kohen Rivolala.
Nafindra any Fianarantsoa ity farany.
Vaovao izay nanaitra ny mponina ao an-toerana mihitsy, indrindra ny ray aman-drenin'ireo zaza nararin’ny ambalavelona, satria an-gazety no nahafantaran’izy ireo izany. Ny tena nahagaga dia nisy ny nahatsikaritra an'i Kohen Rivolala nitondra ny fiarany Volkswagen Touareg tamin'iny lalam-pirenena faha-34 nihazo an'Antsirabe iny, nifanena tao Mateloana tanàna atsinanan’i Mandoto. Na izany aza, efa miomana ny handeha hijery ifotony any Fianarantsoa ireo ray aman-dreny nitory azy hanamarina fa tena migadra any tokoa izy.
Ny loharanom-baovaonay moa dia manamarina fa ao amin’ny fonjan'Ankazondrano i Kohen Rivolala amin’izao, ary noboriana tanteraka ny volony vao nigadona tao izy. Mbola lava izany ny volony tamin’ny nialany tany Miandrivazo, ka mora namantaran’ny olona nifenana taminy azy. Olom-boafidy amin’iny renivohitry Betsiriry iny rahateo no nahita azy.
Marihina fa sazy mihatra iray taona an-tranomaizina no azony, voampanga ho nanaparitaka aretina ambalavelona. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe maninona no gadra nefa mbola afaka mitondra fiara ? Raha sanatria nitera-doza teny an-dalana na namono tena ilay gadra, inona no andraikitry ny mpiandry fonja manoloana izany ?
Re moa izao fa takian'ireo mpitory ao Miandrivazo mba hodorana ireo fanafody tapa-kazo marobe notazonin'ny Fitsarana. Milaza moa ireo mpitory an’i Kohen Rivolala fa vonona hanaraka izany hatramin'ny farany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.