Actualités

“Kits scolaires” avy amin’ny fanjakana Ratsy kalitao ny kahie


  • Sabotsy 17 Septambra 2016

Zara raha misy ireo fitaovam-pianarana nozarain’ny fitondram-panjakana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra manerana ny nosy.

Anisan’ireo nahazo izany ny tao Mahajanga ka miisa 131 783 ny fitaovana nozaraiana ho an’ny faritra Boeny ary hotsinjaraina amin’ny distrika 6. Tsy nahafa-po ny ray aman-drenin’ireo mpianatra io fitaovana nozaraina io satria dia kahie somary ratsy kalitao no nozaraina. Sahy nilaza ireo vahoaka fa aleo ny fitaovana tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana tsara ary mafy no sady mahafinaritra ny mpianatra ny kahie azo tamin’izany. Tsy dia tonga maro nandray io fanampiana ny fitaovam-pianarana avy amin’ny fanjakana io ny ray aman-dreny tao Mahajanga na dia niezaka naka ny fon’izy ireo aza ny filoha.

                                                                                                                                    Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT