Tapitra ny fitsangantsanganana ho an’i Roger Lala Stéphanie. Voasambotry ny polisy “Saka Mainty” teny Manjakaray, omaly
talata 23 febroary tamin’ny 7ora maraina ity ramatoa ity, izay efa nokarohina fatratra taorian’ny namoahan’ny Fitsarana taratasy filazana fikarohana azy, noho izy voatondro ho atidohan’ireo fakana an-keriny nisesy tao Toamasina.
Fanomezam-baovao avy amin’olon-tsotra no nahafantarana fa eny Manjakaray eny i Stéphanie. Nitsongo dia azy ny “Saka Mainty”. Voaporofo tao anatin’izany fa tena eny amin’ity tanàna ity tokoa io olona atao hazalambo io.
Omaly tamin’ny telo ora maraina dia efa naka toerana teny Manjakaray ny “Saka Mainty”. Efatra ora taty aoriana, indro i Stéphanie mandeha irery mitondra « sac à main” sy sakaosy toa olona handeha hifindra lasy. Natonin’ny polisy izy ary nosamborina. Tsy nisy fanoherana fa nanaiky mora ilay ramatoa. Lamba, akanjo, finday, ary solovolo no tao anaty entany.
Iray tarika amin’i Freddy, gadra any Tsiafahy, i Stéphanie. Nisy raharaha nahavoatazona am-ponja azy tamin’ny taona 2015. Nampakatra ny raharaha tamin’ny fitsarana ambony izy, ary nahazo fahafahana vonjimaika tamin’ny desambra 2015.
Voatonona ho tao ambadiky ny fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie, tamin’ny volana 23 novambra 2015 indray izy. Namoahana filazana hazalambo niaraka amin’i Veniste. I Stéphanie aloha izao no tratra, mbola karohina ity farany.
Omaly dia nisy andin’olona miisa folo, tafiditra amin’ity raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie ity nampahafantarin’ny polisy, ary natolotra ny fampanoavana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.